<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>279</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Raisonao, ry Tompo soa
 Izato asan-tananay,
 Fa nomenao avokoa
 Izay rehetra anananay
 Simba izahay rehetra,
 Sady very hatrizay,
 Nefa soa tsy misy fetra
 No novalinao anay.

[V2]
 Hianao nanetry tena,
 Tsy nitandro henatra,
 Be fiantra ka onena
 Ny tra-pahoriana,
 Mba tsarovanay izany,
 Koa dia tahafinay,
 Nefa fiasana ihany
 Ao an-tananao izahay.

[V3]
 Arosoy sy ampitaro
 Aminay ny teninao ;
 Hazavao ny olo-maro
 Izay tsy mahalala Anao !
 Ny misaona mba vangio,
 Ny kamboty iantrao,
 Izahay izay tonga anio
 Mba ataovy irakao.

[V4]
 Eny, ry Mpamonjy tsara,
 Amboary izahay
 Mba ho tonga mpanambara
 Ny fitianao anay ;
 Ary dia mba tahio
 Izato fikambananay,
 Hafanao, ampirisiho,
 Hamasino izahay.</lyrics>
<title>Raisonao, ry Tompo soa FFPM279</title>
<author>W.A. Mozart</author>
</song>